Aller au contenu

Atôma

Avy amin'i Wikipedia
Sarin' ny atôman' ny heliôma 4 misy ny ôvana atômika (aseho amin' ny loko mavokely eo afovoany) sy ny rahona elektrônika (aseho amin' ny alalan' ny alokaloka volondavenona manodidina). Ny ôvan' ny heliôma 4, nohalehibeazina (eo ankavanana), dia misy prôtôna roa sy neotrôna roa.

Ny atôma dia ampahany kely indrindra amin' ny raha tsotra izay afaka mitambatra amin' ny fomba ara-tsimia amin' ny hafa ka manome ny atao hoe môlekiola. Avy amin' ny teny grika taloha hoe ατομος / atomos, izay midika hoe "tsy azo zaraina", ny teny hoe atôma. Ny atôma no singa fototra ao amin' ny vainga na ranoka na etona rehetra. Voafaritry ny atôma mandrafitra azy sy ny firindran' ireo atôma ireo ny toetra ara-pizika sy ara-tsimian' ireo raha ireo.

Tsy araka ny hevitra voalohan' ilay teny ("tsy azo zaraina") fa azo zaraina ny atôma satria voaforon' ny singa kely kokoa noho ny atôma. Ny atôma dia ahitana ny ôvana, izay mitana ny 99,9 % amin' ny lanjany, manodidina azy ny elektrôna, izay mamorona rahona 10 000 ka hatramin' ny 100 000 heny noho ny ôvana, izay mahatonga ny hadirin' ny atôma, izay somary miendrika bola amin' ny ankapobeny, ho saika foana tanteraka. Voaforon' ny prôtôna, izay mitondra fahana elektrika miabo, sy neotrôna, izay tsy mievanevana araka aratra, ny ôvana; maningana amin' izany ny hidrôzenina satria tsy misy neotrôna ny ôvan' ny atôma miratoerany 1H. Ny prôtôna sy ny neotrôna, antsoina koa hoe nokleôna, dia mitambatra ao amin' ny ôvana amin' ny alalan' ny fatorana nokleary, izay fisehoan' ny fifandraisana matanjaka. Mivondrona ho ambaratongan' angovo samihafa manodidina ilay ôvana ny rahona elektrôna, ambaratonga izay mamaritra sosona sy zana-tsosona elektrônika; mitsinjara toy ny sosona nokleary ihany koa ny nokleôna.

Atôma maro no afaka mifamatotra ara-tsimia eo amin' izy samy izy noho ny elektrônany. Amin' ny ankapobeny, ny toetra ara-tsimin' ny atôma dia voafaritry ny firafitry ny elektrônany, izay azo avy amin' ny isan' ny prôtôna ao amin' ny ôvany. Io isa io, izay antsoina hoe isa atômika, dia mamaritra ny singa simika. Singa simika miisa 118 no eken' ny International Union of Pure and Applied Chemistry (IUPAC) nanomboka tamin' ny 18 Nôvambra 2016. Manana habe samihafa ny atôma ao amin' ny singa samihafa, ary matetika samy hafa be ihany koa ny lanjany, na dia mety ho samy hafa aza ny lanjan' ny atôma amin' ny singa simika iray, arakaraka ny miratoerana heverina. Ny atôma mavesatra indrindra, na ireo izay manana ôvana maneho tsy fifandanjana be loatra eo amin' ny karazana nokleôna roa, dia mirona ho lasa tsy marin-toerana kokoa, sy radiôaktifa; ny firamainty 208 no miratoerana marin-toarana mavesatra indrindra.

Ny teôria atômista, izay manohana ny hevitra momba ny zavatra misy "voa" tsy azo zaraina (manohitra ny hevitra momba ny zavatra izay azo zaraina kely araka izay itiavana azy tsy voafetra), dia fantatra hatramin' ny Andro Taloha, ary tena narovan' i Leokipôsy sy ny mpianany Demôkrity, filôzôfa tany Gresy fahiny, ary koa tany India, taloha kokoa, narovan' ny iray amin' ny sekoly hindo enina, atao hoe Vaisheshika, naorin' i Kaṇāda. Niadian-kevitra hatramin' ny faran' ny taonjato faha-19 izany ary tsy nisy fanoherana taty ariana hatramin' izay. Natao tamin' ny tapaky ny taonjato faha-20 tamin' ny alalan' ny fanitajery elektrônika ny fandinihana mivantana ny atôma. Noho izany, dia mifototra amin' ny toetran' ny atôma ny siansan' ny raha rehetra, ary nandray anjara tamin' ny fampandrosoana ny fizika môderina ny fanazavana ny toetra sy ny firafitry ny atôma.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]